ZAVA-MARO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAVA-MARO




Zava-maro
no tsy hay hadinoina
mifangaro
fery tsy mety vonoina.



Zava-maro
no tsy hay kosehina
ka takaro,
na efa be norotehina.



Zava-maro
no tsy hay ikimpiana
ka fantaro
fa mamoha fijaliana.



Zava-maro
no tsy hay alevina,
atambaro
fa sedra matevina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
436 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121