HAMONO TENA AHO (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
~Bavy a , fa inona ity atao ?
~Toa mirotsaka tomany
-Tena voa aho lesy izao a
-Leo ny miana eto antany .

~Odry ! indria ty ve adala e.
~Toa miteniteny fahatany.
-Ka izaho very malala e !
-Nilaozany aho androany.

~Ee, fa dia nahoana loatra
~No nandao anao ny fony ?
-Izy hono efa tehivoatra
-Dia izaho tsy tiany intsony.

~Bavy a.Mitraka dia mahereza
~Maro angie ireo lehilahy e
-Ka natenaiko mba hateza
-Mafy anie izao ry Dahy e

~Atanjao akia ny hery a.
~Ny momba azy dia fafao
-Izaho anie ka tena very e,
-sady mbola misy tsy hainao.

~Fa mbola misy inona koa ?
~Sa mbola misy tsy voalaza ?
-Tsy hovofafa ny anay roa
-satria izaho mitoe-jaza.

~Fa loza inona re ity e ?
~Fa ianao nga tsy nisaina ?
-Ka mafy anie ilay tena tia e
-Dia nomeko izay nilaina.

~Hianatra no aleha aty
~Nefa zava-kafa no natao
-Ka ny foko tena tia
-dia nanao ny tsy fanao.

~Dia ahoana ny fianarana
~Dia mba inona no hatao ?
-Ny fianarana hifarana
-Fa hamono tena aho.

~Bavy a,tsy mety oa izany
~Ekeko inao fa solafaka.
-Aleo izaho handao ny tany
-izay no hevitra efa tapaka.

~Ny zanakao re mba jereo e
~ny toro-hevitro haraho
-Aleo ny fiainako hatreo e
-Fa hamono tena aho.

page fb: H_Eric
--------
Rohy:
1679 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : H_Eric
Daty : 20/03/2019 08:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129