VONIN-DRAOZY (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vonin-draozy mavomavo
ny fiainako eto antany
satria voafingana ka lavo
niakarapoka amin'ny tany

Vonin-draozy menamena
ka mitombo hery foana
tsy hosena na ho lena
mandrapahatapitrin'ny taona

vonin-draozy fotsy mavana
manambara fahasambarana
mampitsiry ny fitiavana
mampirindra ny fiainana

vonin-draozy mavokely
no mba vonin-kazo tiako
mamy toin'ny tantely
ka manome ny fifaliako

izato fiainako mangina
mampirotsaka tomany
mampisentosento lalina
ny fiainako eto antany
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
1006 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 02/04/2016 13:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143