MISERANA IHANY (harylovah)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa mihira manako malakyMamakivaky tehezan-kavoana
'Reo vara-masiakan'ny lanitra vaky
Ngaly maranitra ny eo anoloana
Atambolimbolin'ny rivo-mahery
manonjanonja ny moron-kamory
Dia manganohano ny maso mijery
Dia mitebiteby tsy mahita tory
Fa hay ao ambadik'irony tafiotra
Misy maraina mamiratra loko?
Fa hay irony sedra malaky firiotra?
Miserana koa raha ny senton'ny foko!
O! Haiko sedraina izay ratra mandalo
Na rivo-masiaka na varatra maina
Na ora-matevina be fahavalo
Tsy maintsy hamelana izay nantenaina...
HARYLOVAH[100413]
--------
Rohy:
Sokajy :
fanantenana - Fahatsiarovana - embona - Eritreritra mandalo - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Hevitra mandeha
harylovah
(
18/05/2013 15:56)
Na dia maro aza ny mety hahakivy, dia miserana ihany izany...Koa mahereza hatrany !