Hevitra momba ny Ny fitiavan'i Neny

Hiverina amin'ny Ny fitiavan'i Neny
havotraniaina ( 09/09/2022 13:51)

NY FITIAVAN'i NENY!

Ny fitiavan'i Neny,
moa tsapanao ny ao an-tsainy,
fa trotraky ny fiainana,atompan'ny tany,
tsy maintsy reseny,raha mbola eto an-tany.

Ny fitiavan'i Neny,
moa tsapanao ny ao am-pony,
mitempo mangina,vesaran'ny tomany,
tsy maintsy fafana,hiposaka indray andro any.


Ny fitiavan'i Neny,
moa hainao ny tena fitiavany,
niaritra ny mafy,ny ngidin'ny tany,
ianao no antenainy,fa ho velona ihany.


Mpanoratra LALAHARISON Havotra Niaina (25/05/22)
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089