ABIDIAN'NY VADY (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ABIDIAN'NY VADY

Adala izay olona tsy tia vady
Bado izay sinaraky ny ola-mianjady
Dondrona loatra ka mandrava efa
Ekeny ny sotasotan'ny rivo-miantefa.

Fo nifangia manko no nanakambana
Goragora fifatotra izany ny fitiavana ?
Hoenti-mankaiza ny zanaka tiana ?
Iezaho ihany ny miari-pihafiana !

Jerijerin'ny fo mankafy ange ny vady
Ka nahoana no roahina rehefa miady ?
Lalam-piainana ny sorisorena
Mandehana tambazo ny vadin'ny tena.

Nomen'ny Tompo io matoa eo an-tanana
Olona tiana ka omeo fiadanana
Potika kosa raha mifanaratsy
Rava ny harena fa ny fo feno tasy.

Saino àry izany no tokony hatao
Tanora namako, ny vady hajao
Velom-pinaritra izay mifankatia
Zaro hitia ny rariny ny fon'indry.

Heriarilala Andriamamonjy 02/06/26 21:46
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
115 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.022