Ampianaro (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPIANARO Ampianaro aho, hiaro ny fananako tsy hankahala n'iza n'iza
Toroy raha azo atao, hihazona ny anjarako, ho tia mandrakariva
Aza avela ho revo anaty fankahalana ka handrafy ny hafa
Ny foko koa hevero, sao handika ny lalàna, ka hanao fihetsika mandratra.
Aoka aho handanjalanja raha misy fibodoana na koa fakana an-keriny
Aza avela hihanjahanja ny halotiky ny foko raha manonitra ny feriny
Ataovy mahay mipetraka raha misy adaladala mandranitra hatezerana
Ataovy mahay miresaka sy mody tsy mahalala fa feno fandeferana
Dia anaro foana foana hahay hionona amin'ny hita
Aza avela hanam_potoana hambolena disadisa
Aza omena minitra kely hikarohana ny miafina
Izay rehetra misitery, aoka ihany re ho takona
Dia mba ampianaro koa hahay mihatsaravelatsihy
Ekena hoe be ny hambom_po nefa aza avela hipoitra ety
Raha ekena, raha azo atao, ampianaro ho olom_banona
Aza avela hisetrasetra na mahatratra ny tsy marina.
Heriarilala, 24/06/22 13:54
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 27/06/2026 02:07
