Ampitomboy ny finoako (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampitomboy ny finoako(Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. — Lioka 17 : 5)
Finoana no omeo
hoentiko hanantena
fa hisy fandresena
na inona miseho !
Hery no atolory
hahafahako miady
ka ny vatako ho tomady
fa tsy ho farofy akory !
Ianao nahadio ny boka,
nahafoana ra mitsika
sy ny paralisisa,
nanafaka mpanota !
Ka finoana no ampitomboy
hoentiko hanantena
fa hisy fandresena
tsy tokony hafoy.
25 septambra 2024 5:47
--------
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 30/09/2024 04:50