ARY NY TSY ARY (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARY NY TSY ARY

Ary ny tsy ary,
misy ny tsy nisy.
Niova koa ny sary
dia izao aho mitampify
eto an-tratranao.
Tsy novinaiko mihitsy
ny hitrangan’izao.

Ny anao efa kinasa
f’izaho nidify foana.
Ninia namorona asa
tsy hananana fotoana
hiarahana aminao.
Tsy hay hoe fomba ahoana
no nitrangan’izao.

Ary ny tsy ary
misy ny tsy nisy.
Noraketiko an-diary
ny angolanao sy tsiky
niantefa tety amiko.
Tsy foiko halana mihitsy
‘lay akanjonao nindramiko.

Heriarilala 07 okt 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
42 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144