Ataoko matotra (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAOKO MATOTRANy maso aky no lavitra
kanefa aza matahotra
f'izaho na manirery,
tsy hanolo velively
ny anaranao voasokitra
izay mamin'ito molotra...
Na hoy ny mpanaraby
"ny afo lavitrao
tsy azoko amindroana".
Tsy ataoko vazivazy
f'ianao tena tsy foina...
F'ianao masoandron-danitra
mahafana ahy ety an-tany
Eny...na dia lavitra
manilo...mitaratra ahy hatrany...
K'ianao aky no lavitra a!
f'ity ataoko matotra:
ny fontsika mifanaiky!
inoako,ianao manaiky...
#Heriarilala, marainan'ny 17/6/16 08:27 Toliara.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 17/06/2026 20:06
