Efa tena sambatra (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa tena sambatra !

Tsy maniry intsony vidim-bary hidina
fa efa antonony io
Tsy hitaraina akory hoe migoka 'zany ngidiny
fa izao no tadidio :
sambatra izahay,
hitady inona indray ?

Ny resaka herinaratra efa igalabonana
izahay indray no tsy maharaka ka mamorona lanonana
hanaovam-pandaniana,
ny rano tsy vidina
fa mitobatoba-poana,
izahay ange tsy noana !

Ny fidirana an-tsekoly nolazaina ho maimaimpoana
Aza averina mihitsy
Izahay tsy nandĂ  akory fa nandoa ara-potoana
Sady tsy mba hoe nitsitsy
Karama efa sahaza, mihoatra raha ny marina no isitrihanay !
Voky hanina ny zaza, afaka hetaheta ny ato an-tranonay !

Tena efa sambatra !
Raha misy ny hoe lafatra
dia eto an-tanindrazanay !
Tsy misy iray mahantra,
Tsy misy loza mihatra !
Miadana izahay !

Ka dera ! Saotra ! Tehaka no araradrarakay !
Efa be sy tafahoatra ny ambim-bava kay !
Afa-miala sasatra any am-pitan-dranomasina rehefa leo ny rotoroto !
Afaka mifidifidy sy mba mifantimpantina
tsy hovoakasi-doto !

Heriarilala 28 sept 2024 5:45
--------
Rohy:
Sokajy : Zava-misy - Fiainana
66 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153