Ianao no pôeziako (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no pôeziako!

Fanahy namoha fanahy,
nandevona ny tsiahy
sy ny lasa tsy mahasoa
nanaitra izato fo.

Ianao no pôeziako,
andalan-tononkirako,
haingohaingoiko rima,
fy ka tena tiana.

Namono ny ahiahy,
nandevona ny tsiahy,
namongotra hakiviana,
namongatra hafaliana.

Heriarilala Andriamamonjy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
41 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149