Ilay akaiky anao no poizina (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY AKAIKY ANAO NO POIZINA

Misy zavatra tsy ilaina, tsy tianao hofantarina
fa tonga an-tsofinao,
taterina aminao.
Tsy mahasoa ny saina raha ny tena marina
fa voasany aminao,
manimba tsotra izao.

Tsy hahazoanao ariary ny fandrenesana azy
kanefa dia ventesina
no sady ampalesina.
Tsy misy raha manjary, tsy mahasoa ny hoavy
tena tsy hay refesina
ny havinirana entiny.

Misy zavatra ilaina, sy tianao hofantarina
tsy mby an-tsofinao,
afenina aminao.
Izay mankarary ny aina no ezahiny amboarina,
hanao ny tsy fanao
no andrasany aminao

Heriarilala Andriamamonjy
21/07/22
21h21
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
211 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 22/07/2026 01:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012