Ilay saika Dada (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY SAIKA DADA

Ny mpitsoaka adidy no kianina hatrizay
Nampigoka ngidy ny vehivavy ho fay
Hoe misahana any ho any ilay noharìny mialoha
Fa somonga fotsiny ihany no tamin'ilay faharoa

Dia ireo mpilefa ireo no hany aseho fa ratsy
Iniana tsy aseho ve ilay atsy ambadika atsy ?
Tsy hitanao mivaingana ny vokatra nataony
Satria nodioviny haingana ny kianjan'ny lalaony

Tahatahaka izao ireny mba efa "Dada" koa
Mba narahabaina an-teny na norohana aza moa
Saingy tsy nisalasala nampamono, nampanefa
Ka tsy misy iray mahalala ny asany rehetra

Ny mpitsoaka adidy ihany no voatsikera hatramin'izay
Kanefa mihoatra izany ilay heloka ankiray
Ianao ilay saika "dada" tsy nanaiky azy ho reny
No nanova ny "arahaba" ho latsa sy eson-teny.

Heriarilala 19-06-23 05:45
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
37 1
Mpakafy: TosakaMg
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 19/06/2026 01:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123