Izaho kely (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho kely

Izaho kely anankiray
nitepo tato anatiko
no hisy rahatrizay,
ho teliko sy mamiko.

D'hikolo aho sy hanabe,
hanambitamby koa
f'ilay sombinaiko ange
tsy manam-paharoa.

Ho jenitra amin'izany,
mikarakara tiana,
mitsiky hatrany hatrany
fa eo ilay nirina.

Izaho kely anankiray
nitepo tato anatiko
no hifalifaly indray,
tsy hangina ny akaniko.

Heriarilala Andriamamonjy 12/10/25 4:53
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavan-janaka
55 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117