Izory ny lalanao (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZORY NY LALANAO

Aoka ianao tsy ho tezitra
raha 'zaho nanapa-kevitra
hanadino mihitsy mihitsy
hamoy toy ny tsy misy!

Aoka tsy hisisika
raha nalana anaty lisitra
tsy ho namako intsony,
ny saina no onony.

Fa io tsy avy amiko
fa ny nataonao no nanery ahy
Ka aleoko mihitsy hajanoko
ny tafako am'ingahy !

Aza ianao mitezitra
fa io noho ny nataonao
k'intsony aza miherika
F'izory ny lalanao.

Heriarilala Andriamamonjy 7/7/16 08:26
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
228 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 06/07/2026 23:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0716