Malagasy, hono, (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY, HONO

Tsy tiany ianao f’ilainy
dia ny maha Malagasy no ventesiny sy hirainy
Mankamamy kolontsaina e, mandala soatoavina
Ny fomba koa hajaina, ianao mba mody tiavina.

Ny tsikalam-pihavanana no lazainy hoe sarobidy
Ny fifankatiavana no saron-tavany finidy.
Fa hafatry ny Tompo izany ho marika fa mpianany
Tsy te ho voaloto izy dia mody tia ny namany.

Nefa raha ny marina dia misy mamy gohiny
Tsy avelany hotakarina fa misy tsiro trohiny
ny fifandraisana aminao… “ilaina ny mihavana”,
dia mba belazao hoe “tsara ny fitiavana”…

Manery azy hitankosina sy handray anao akaiky
ny mevanao rantovina, fa ny tena mampiaiky ?
Rehefa misy soa tokony hositrahinao
Dia hadinony tokoa, tsy tsiaro tsotra izao.

Ianao tsy ampahalalainy, tsy lazainy anao ny misy.
Ilay fihavanana lazainy toa tsy tsaroany mihitsy
ilay kolontsaina izay ventesiny, toa tsy misy akory
(mody) sanganehana ny fihetsiny, saikatra ny fony.

“Mbola tena sahirana ka tsy afaka niherika
Tsy hoe havinirana fa ny saina tena fefika
tsy hoe hadino ianao, fa mbola niasa be
mbola ho avy ihany, ilay manetsa be.”

Tsy tiany ianao f’ilainy
dia ny maha Malagasy no ventesiny sy hirainy
Mankamamy kolontsaina e, mandala soatoavina
Ny fomba koa hajaina, ianao mba mody tiavina.

06/08/2022 Heriarilala 15:33
--------
Rohy:
63 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141