Mitoka fitia (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITOKA FITIA

Midonaka ! Midonaka ! Manento !
Mipongatra ! Mipongatra ! Manempo !
Mandonaka ! Mandonaka ny eto
Hiotazam-bokatra io d'ekeko !

Embohako ! Embohako hijanona
Averiko ny saina tsy hody fanina
Ny fitiavan'ilay tiana nahamanina
Ny hanitra nirina izao tamanina.

Tononiko ! Tononiko hahery
Tsy ho fatin'ireo mpamono kely
Embohako hipoitra tsy hiery
Ny fitiavantsika ts'hisy very.

Heriarilala 18-06-23 05:29
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
8 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115