Nofin'izao tontolo izaoko (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NOFIN' IZAO TONTOLO IZAOKO

Ny nofin’izao tontolo izaoko no asandratro eto,
tsy ankisentosento
na ankitaraindraina
fa velona aho ka miaina
sy manam-paniriana
tsy tokony hidifiana.

Ny nofin’izao tontolo izaoko no atosako izao
ka mandrenesa ianao
ry fanahy mpanatanteraka
mpanarina ny ketraka
mpanohana ny lavo,
ny ory ho ravoravo.

Ny rofin’izao tontolo izao no tanisaiko etoana
fa miteny anie ny moana
mahita ny hadalana
sy fihoarana lalàna,
fanaovam-petsifetsy
miampy ny enji-dresy.

Mbola rofy maro no tsy sitrana eto an-tany,
misy tanty ihany
fa lasa fahazarana
ny tsy migoka hasasarana
fa zatra voambaka
sy mivoky latsa.

Mbola be ny rofy manjaka am-pon’ny maro,
tsy miseho ho fahavalo
fa mitonona ho mpivavaka
nefa manavakavaka
ny mpiara-monina aminy
sady migoka ny hamaminy.

Heriarilala Andriamamonjy, 13/10/2021 08:46
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
36 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193