NY MBA FANIRIAKO (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MBA FANIRIAKO

Ny mba faniriako
dia ny hotiavinao
Eny, ho fifaliako
izany anilanao

Ny zavatra mba mamiko
Dia ianao hotiaviko
Nofiko, hono, izany
Asa...ho to ihany?

Vao nahita anao
ireto maso roako
dia tsy te handao
fa niontana ny foko

2012 Heriarilala
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
29 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0878