Sao hanenina (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sao haneninaHanenina ihany izay tia adiady
Fa indray andro any ny loza hianjady
Hifona ianao, tsy ho reny intsony
Izy handao, ianao moa hitony ?
Hitamberimberina ny tsiaro rehetra
Ny fifamaliana, ny vono sy ny etsetra
Ireo sangy maro sy fotoana mamy
Hifandimbidimby ny tsiahy sesilany.
Fomban'ny fiainana ny sorisorena
Na izany aza ny hasina re tsy hosena
Ka etsy fadio ny ompa manimba
Fa izany no ratsy, mandratra indrindra.
Ilay hady lalina rehefa misokatra
Ny alahelonao no hitosatosaka
Te hanonitra mafy izay nifandirana
Ka dieny izao, aleo ny ady andosirana.
Aleo mifandamina fa mbola maitso
Manana saina ka ny fo tsy hibaiko
Raha misy tsy mety aleo mifamela
Arindrao dieny izao, aza miandry ela.
Ny tena atahorana mantsy dia izao
Ny mpitsara ivelany no hifosa anao
Raha misy tomany latsaka an-tany
Mpihatsaravelatsihy, hono, ianao amin'izany.
Heriarilala Andriamamonjy 17/03/25 15:51
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 05/07/2026 22:28
