Talata zina (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TALATA ZINA

Talata, ny antsika tsy gorobaka fa zina fifaliana
Ny foko nihotakotaka fa niandry anao ilay tiana
Ianao navitribitrika hitsena ity malala
Izaho nandinidinika fa nila tsy hahalala

Fa olona iza loatra ity tamy dia mamihina
Gaga aho nitsamboatra satria nosakambinina
Ampahan-tsengondra ihany dia haiko fa ilay tiako
"Drey 'ty hatsarany", ka feno ny hafaliako

Somary tampotampoka ny nisehoanao avy any
Izaho efa tsy naharitra, nanao someso ihany
Revo manontany hoe aiza ihany ialahy
Gagagaga ihany aho f'efa manoloana ahy

Tsy mety hadinoko iny, andro voalohany nandraisanao ny tanako
Ora tsy nanan-tsiny, segondra nanombohanao nibitsika ny anarako
Fihetsika nandretsika ny foko babobabo
Hatreto izao tsy hiherika f'efa aminao no ravo.

Heriarilala 25 sept 2023 12:54, Ambohitsaina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
54 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153