TENY HOENTINAO MIADY (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENY HOENTINAO MIADY

Ianao ilay miasa mafy mamelona ankohonana
Indraindray voateny ratsy fa hoe mitonantonana
Lazaina fa mafy ady, tsy afaka mivoatra
Na sabotsy na Alahady dia miasa tafahoatra

Sakafo ambany foitra no vatsy ihodinanao
Tsy ahafahana mipoitra ny fiainana toy izao
Toa olo-miady irery, tsy hita izay hanampy
Tsy kivy velively fa miezaka mitanty

Deraiko ianao sakaiza fa mbola io mijoro
Zaza tsara taiza tsy mba nanaiky hikoro
Mbola manantena matoa manohy ny miaina
Fitaratra hojerena ho an’iretsy kely saina

Dia vavaka no asandratra hahitanao ny tadiavina
Ianao ilay hody maina no tena sanatriavina
Ilay Nahary anao hanome anao ny misy
Ka ireo ankohonanao hioty tsikitsiky

Tsy maintsy handresy ianao na hatraiza adim-piainana
Ny rehetra ezakao handrava fitarainana
Fa mahandrasa kely raha toa mbola tsy androany
Tsy hanary velively izany Tomponao izany.

Heriarilala 15/09/2022 22:00
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
23 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0103