Tsy nahim-pony (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NAHIM-PONY

Tsy misy vehivavy maniry hanala aina mitsaika kely anatiny
Tsy misy vehivavy hivonona hangaina hamono ilay nafafiny
Fa ny enji-dresinao no lohanaron-keloka nanosika azy hanota
Ny tondro-molotrao moa azonao veroka fa tena sotasota ?

“Esory io” hoy ilay tiany fa izaho tsy mbola vonona
“maditra loatra izy iny” hoy ny fiarahamonina
Ny mpiaraka mivavaka indreny mitsoatsoaka
Mahita ilay solafaka sy tsy afaka manoatra.

Tsy misy vehivavy maniry hampiato ny fo mitepo anatiny
Fa satrin’izy ireny handre manakoako ny feon’ilay nalantony
Hadinonao matetika fa misy lehilahy mahavatra mampamono
Ny fom-behivavy fefika ka roboka izy sahy, satria efa voajono.

“Mpanota” hoy ny mpiangona, “ninia nijangajanga”
“Mba nianatra ihany fa tsy mahay manisa angamba”
Dia ao ireo mifosa hoe “io tsy hahavelon-jaza irery”
Ireny latsa ireny no nanery azy hamono zazakely.

Nisy vehivavy efa nanala aina nitsaika tao anatiny
Nanamelo-tena, sady nitaraina, nilaza fa tsy tantiny
Tsy nahim-po hoy izy ny namono zaza
Fa vitany tokoa na dia tsy fidiny aza.

Heriarilala Andriamamonjy, 23 Okt tamin’ny 10:39 alina
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
89 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148