ALAHELO ANAO (Ilay Tia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Havako o!Fitiavako ianao
Havako o!Fiainako ianao
Havako o!Fifaliako ianao
Havako o!Safidiko ianao

Mila tsy hay tohaina izato fitempom-poko tsy eo anilanao
Toy ny adaladala ny fisainako maminany izay misy anao
Tsy azoazoko ny aiko,ifandroitan'ny sento sy tomany ny tontoloko
Tsy mifantoka ny saiko maminaviana izay hisokafan'ny moloko
Hiteny hoe:

"Te ho eo anilanao ny foko mandramaty
Fa ny anilanao no mamiko na adana na hafy
Malahelo anao aho vonto tsisy maina
Toa voakapo-jaly aho,maratra fo,voadona saina

Ny tsy fisianao no hazo fijaliako
Mahatsiaro tsy ampy anao amin'ny andro fifaliako
Ny alahelo anao no mangidy amin'ny fiainako
Ny alahelo anao no tsy mahatomombana ny fisainako
SATRIA TIAKO IANAO
--------
Rohy:
5282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay Tia
Nampiditra : arseneinlove
Daty : 21/12/2017 17:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096