Eny, ianao ihany (Iony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny, ianao ihany

Na ho jaly na ho tomany
Dia anilanao hatrany
Ka na mangidy na mafaitra
Na sehon-javatra manaitra
Eny, ianao ihany

Na ho finaritra na ho rofy
Antenaiko tsy ho nofy
Ireo fotoana niarahana
Tao anaty fahasambarana
Hitsiky hatrany na tsy tanty
Eny, ianao ihany no ato anaty!

Halaviriko ny hakiviana
Hisikinako ny fifaliana
Fa ‘lay Ray ao ambony
No nandrafitra ny foko
Nanafoana ny toloko

Apetrako Aminy izao
F’ianao ihany no tiako.
Izay mankarary ka tsy tiako
Izy Tompo tsy mandao
Mahay manaisotra izao
Fahoriana lava izao

Amim-pifaliana hatrany
No hanavaozako ‘lay voady
Tsy hiala akaikinao
Fa Jesoa Tompo no hiady
Ka ho tanteraka ‘lay MARIAZY!
Aminao, eny ianao ihany!

Iony, 27/10/2011, 16h07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2445 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137