TIAKO NY FOFONAO (Iony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO NY FOFONAO

Zavatra hafahafa no reko indray miserana
Mampidoboka ny foko, mampisinda ny toloko
Fa ny fofonao no mameno ilay toerana
Ngezangeza, malaladalaka, tsotra tsy miravaka

Toerana hafakely, mangingina, manirery
Mafana, malemilemy, maha te hijery
Satria ny fofonao, nielina, tamana
Namerina indray ny fitiavako mazàna

Rehefa manina iny, mahatsiaro ilay toerana
Tadidiko avokoa ireo revy tsy azo ferana
Dia ny fofonao, nandalo ka tsaroako
‘Lay sengondra tena mamy nampilatsaka ny foko

Fa io toerana io, tena toerana hafakely
Nataontsika roa namborahana fitia
Ka ny fofonao, mamiko toy ny tantely
No nampifikitra ahy, hitia anao doria

Iony, 03/11/2011
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - Fitiavana
1761 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 10/11/2011 17:39)
mahereza hatrany eh...
iony ( 15/11/2011 04:58)
hasiniony, msaotr e!ar enao mtov any Stan pazzapa a!everiko fa Stan!:)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01