tsy fety fotsiny ihany ny NOELY (Iony)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fety fotsiny ihany

Ny noely 'zay mandalo
Tsy fety fotsiny ihany
Hanolorana ny kalo
Fa hanavotana ny tany

Nahoana no mifaly
Izato ianao ry olon'iny?
Any ho any 'reo mijaly
Hivavaho ny fiafiny

Fotona mendrika izao
Aza ilaozanao matory
Mbola be 'reo namanao
No mahantra sady ory

Mila anao hampitraka
Hampahery sy hanohana
Ilay Jesosy hoe mihantra
Ianao ho tsara tohana

Iony R.
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - Fampaherezana
4142 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 11/12/2005 06:36)
Manao ahoana ry se ah! Tsara be le izy fa tohizo eh, ho ny namanao ihany!
Iony ( 13/12/2005 09:02)
dia misaotra an'i hasiniony mankasitraka e! Iony ihany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141