Anjakao ny fitiavako (JM Rakotomalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anjakao ny fitiavako

Anjakao ny fitiavako
izany havako izany
Izay naloaky ny vavako
Tsy misy lainga izany

Anjakao ny fitiavako
Ento ho anao daholo
Fa ireny no firavako
Ho anao tsy hisolo

Mandihiza,manampy
Ry vorona ao an'ala
Ny fonay mifanakatia
TSy misy tombo sy ala

Kopahy lamba ho tafita
Fa fitia vao miandoha
Toy ny volo,voangita
Ka hiaraka hifoha
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
911 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JM Rakotomalala
Nampiditra : rktj
Daty : 04/05/2007 18:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013