Tsy mendrika (kathia)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao tontolo izao,ny fitiavako rehetraNotolorako anao tsy nilaiko fepetra
Tsy nasiko fanenenana fa nataoko antsitrapo
Satria notiaviko ianao ,notiaviko tokoa
Na fitiavana na vola,tsy mba nisy notsitsiko
Fa natolotro ho anao,ho anao ry olontiko
Ny herimpoko,ny herintsaiko sy reo rehetra ankoatr\'zay
Dia nafoiko anao daholo na ireo sitrany ahay
Nef\'indrisy fa very maina! izaho indray no toa nangaina!
Fa tsy mendrik\'ianao,tsy mendrika ny fitiavako
Ka ny fanadinoina anao no hilofosako rahavako
Tiako ianao,tena tiko
Fa tsy entiko hijaliko
Fa ra fitia tsy mifamaly
Avelao fa makarary!
--------
Rohy:
Sokajy :
Hambom-po
Mpakafy:
riina