Amiko (Kelifara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIKO

Amiko ianao dia Raozin’ny saha
Miendrika kanto, mandravaka ny ala
Mahavelombolo ny fon-jazalahy
Toa Raozy dia ka tsy manan-tsahala

Amiko ianao dia miavaka indrindra
Izay midoroboka an-jaridaina
Raozy mahery ka sarotra hafindra
Tsy azon’ny tànana volavolaina

Amiko mantsy izay nipoiranao
Mety ho tendry voaoman’ny vazy
Ho tsiriritin’izay milalao
Voasakan’ny tsilo, voasakana ho azy

Amiko ianao, haingon’ny foko
Efa safidiny niotrika ela
Tsy hita ho tsinapa kanefa misoko
Hambabo fanahy tsy mbola niera

Amiko ianao ‘lay mpihira ny vazo
Mikalo kanefa tsy hitan’ny maso
Amiko ianao no ilay voninkazo
Maniry afovoan’ilay valavato

KELPHARE le 05-10-04 Ankatso II
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
819 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kelifara
Nampiditra : Kelifara
Daty : 12/06/2014 12:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131