Aoka izay (Kelifara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA IZAY

Aza fohazinao akory
Ny fitiavako matory
Fa mahasoso…tra ahy !

Mbola angatro ihany ireny
Na dia mbola tsy niteny
Ka sao dia mba vaompa… lahy

Dia fianara-haminany
Ve no hanaovana an’izany
Hisotroako ny …mangidy ?

Di nitazona ahy satria kely
Ka hodarohanao fively
Raha izaho tsy te hi…vidy

Ny voasarinao lehibe
Entinao mandehandeha
Eny anelakela-…trano

Dia izaho ‘lay tafalatsaka
Efa hita fa tsy afaka
Noterena hamoaka …tsaho

Aoka izay !
Sao hioson-tany !


Kelphare_Ambohimasina Ambatondrazaka 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
832 0
Hevitra mandeha
mamis ( 13/06/2014 13:36)
Tena hafa-kely indray ity tononkalo ity. Tsara e !!!
mamis ( 13/06/2014 13:37)
Tena hafa-kely indray ity tononkalo ity. Tsara e !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kelifara
Nampiditra : Kelifara
Daty : 12/06/2014 13:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145