Hevitra momba ny AZY IRERY ( POETA )

Hiverina amin'ny AZY IRERY ( POETA )
raozigasy ( 16/11/2012 08:59)
Dia nisidina izy teny rehetra teny
Ny sainy lasam-borona, ny jeriny nanjeny
Ny fanahy sy ny ambiroa, Ny vetso sy ny sisa,
Eny an’habaka eny, mikorisarisa
Manangona ny tsiahy, sy omaliny rehetra
Ireo nofy adaladala, ireo tsiaro etsetra etsetra



kiriah ( 05/12/2012 20:50)
Mifantoka any ho any
Ny jerin'eritreriny
Variana manontany

Tamana maminany

Ka mila tsy ho voaveriny
Hitodika eto an-tany

Mifantoka any ho any
Satria izay no heveriny
Ho faratampo-mamy

janahary ( Ratolojanahary.D.S)
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0128