Valimbavaka (Lady Landy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valimbavaka

Taona maro lasa izay
Nosedrainao aho ry Ray
Nitalaho sy nitaraina
Nandohalika nivavaka
Raha tena tia ahy ianao
Satroy voninahitra ity
Mpanompo kelinao

Fito taona aty aoriana
Tonga ny valimbavaka
Izay niandrasana ela izay
Tsy iray anefa fa anankiroa
Tsy mba kambana roavavy
na kambana roalahy
Fa dia kambana mianadahy
Valisoa Niaiko sy Iriana Mahandry
Misaotra anao ry Ray Tsitoha!
Nomenao Valimbavaka
Mankasitra ami'ny Fo!

Lady Landy
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Fiainana - Ahy - Fiainana - Fitiavana
16 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lady Landy
Nampiditra : LadyLandy
Daty : 02/11/2026 11:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0106