MADAGASIKARA (minoma)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faly ery izany fo vao maheno ilay anarany
Tanindrazana malala izay manana ny tantarany
Tsy ho afaka ao am-po n’aiza n’aiza no misy
Na dia mandalo fotoan-tsarotra aza izy ankehitriny indrisy
Gasikara manana ny maha izy azy indrindra
Harena sarobidy tsy azo afindrafindra
Ankehitriny anefa mitaraina izany tany izany
Feno fahorina sy zaza mitomany
Miaina anaty krizy izay saro-bahana
Mahalasa saina sy mampiahanahana
Mila Malagasy miray saina sy mifankatia
Hiara Hanangana ho avy ho doria
Mitsingerina ity ny fahaleovantena
Koa ny fahantrana andeha ho resena
Lalana vaovao no tokony hizorana
Anaty fahavononana sy fahamatorana
Isika tanora no fitaratra sy ho avy ratrizay
Koa aoka isika hitambatra ho Malagasy iray!!

minoma
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1407 0
Hevitra mandeha
fexsam ( 08/08/2012 16:16)
mlay, beuh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : minoma
Nampiditra : minoma
Daty : 23/07/2012 08:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136