KINTANA SY VOLANA (MiséVonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa satriko omena anao ny kintana sy volanahamirapiratra hanazava ny endrikao lalaiko
ka ho rado hanjopiaka, firavaka hiambozonana
ny volana an-tendanao, tazaniko ho sary an-tsaiko
Ny kintana an’alin-kisa, ho firakotra hanjelatra
handrakofako ny vatanao, tsy ho tojo aizina
hitahiry ilay fitia, ho tontolo hampivelatra
ny nofinofin-tsika, natory ka fohazina.
Ka na maizina aza ny tany, ianao hanjopiaka
hitari-dàlana ahy, hamakivaky aizim-pito
tsy hihaotra ny tongotro, ny famindrako tsy hitriatra
ho tokana hanitsy, ilay tokana nofinidiko
D’ireo kintana sy volana, hatolotro ho anao
Tsy ho takon-draho-mainty, hanaloka fiainana
Fa hibaliaka lalandava, fanilo mba natao
Hitsilo ilay fitiavana, dia ireo voady nifanomezana
Fa satriko eny satriko, ny kintana sy volana
Mba ho izaho sy ianao, hamiratra eny foana
ka na alina aza, tsy hifankafoy, miaraka milanona
ny lanitra midadasika, ho kianjan’ny fitia, ho tany filalaovana
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana