MODY MASOANDRO (MiséVonjy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa iny folaka iny, ka mihilana ny andro
dia lasa lavitra ny saiko, mahatsiarotsiaro
ireo izay mba notiaviko sy nanokatra masoandro
indrindra ilay tokana, noavahako tamin’ny maro

Mitamberina ny tsiky, mialoalo ny tarehy
manokatra tsiahy, mangolingoly ny ao anaty
fa sary kanto loatra, noravahany hehy
no tahiry nokoboniko, fahatsiarovana tsy maty

Dia tsy tanako ny saiko, tsy hahatsiaro ny omaly
fa volon’andro toy izao, nangatsiaka tokoa
no nifalian’izany foko, falifaly afa-jaly
notolorany fitia, nahatorovana ny fo

Fa jambena mihitsy, ito masoko nijery
ny tontolo manodidina, fa kanto aok’izany
k’ito masoandro izay nihilana sy ‘lay siokan’olon-drery
no nandrako-bolamena, ‘lay fitia tena mamy

Nobanjiniko ny endriny, tarafim-bolamena
d’ilay nofiko mihitsy, tanaty sasak’alina
fanaperana daholo, tena kanto ka nekena
fa io ilay notadiaviko, tao anatin’ny alinalina

k’ireo nofy sesehana, nikarohako ilay tiana
nandrotsahako tomany, tsy nahitako tory
tojo azy nanantena, fa dia ho androm-pifaliana
ny androko sisa, indrisy fa mahaory

fa ny làlana nofidiana ve no tsy tsara nodiavina
sa ny vintana mihitsy no nanao ho tsy anjara ?
f’ilay fitiavana toa nangidy, sy toy ny ravina
mainan’ny andro ka indro, zakan-drivotra dia rava

fa isak’izay mihilana toa io ny masoandro
ka mandefa ny tarany, mandrako-bolamena
ny tontolo mampisento, mikarakara ny nahandro
dia tsy tana ny foko, miventsoventso manantena
--------
Rohy:
Sokajy : embona
3560 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 10/08/2010 13:57
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147