SAINA (MiséVonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa adala hoa ny saina, tsy mba mahatombo-tsirakaFa na rivotra mandalo, eny hatramin’ny bozaka
Hanehoany lalandava sary, olona iray nofinidiny
Tsy lasan-davitra mitoetra, mbola ao foana tadidiny.
Ny volana baliaka an-danitra avo, maneho fenomanana
Lokolokoiny ho sary, endrikao tsisy mpanana
No indro havoitrany anoloako, ho tsapai-tànana
Hampitony samboaravoara, r’ilay nekeko ho namana
Ito ravina misidina, sara-taho enti-drivotra malaina
Dia ‘lay lambanao mihintsy, notsiriritiko halaina
Saingy ny rivotra nitsoka, nitondra azy lavitra
Ny tànako nitsotra, nisarika finaritra
Fa adala hoa ny saina, tsy hampoizina akory
Mandefa sentosento, indraindray tena mahaory
Rehefa tokana iny aho, ka lasalasam-borona
Dia hatodiny hahatsiaro, ilay fitiavana natao sorona.
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy