ABIDIN'NY TOAKA (Naina R (Tsindrano Maneho))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ABIDIN'NY TOAKA

A- Avia ry sakaiza hiresaka isika
Andeha hifananatra sy hifanoro
Avoahy fa misy abidy mifandika
Nahoana ny toaka no rano mandoro???

B- Be loatra ny zavatra momba ny toaka
Badenina mafy ny saina hamoaka;
Boriky mandaka ny toaka mahery
Baraka aman-jò palàny ka very.

D- Devoly mitsidika tonga handavo
Delila mamitaka ireny ka lavo
Doroany izay vola ka ataony mafafa,
Dimbiasany loza ka miova ny tafa.

E- Ekena fa misy lalàna mandrara,
Ezahina koa ny fitaomana tsara;
Eferana sao mba ho ritra kanefa....
Endrey izato heriny,,ravany ny efa!!!

F- Firainy ho tola ny Zòm-pirenena
Fofoiny ho ritra ny foton-karena
Fafainy isan'andro ny vola ka lany
Fotory mihintsy 'zay anton'izany!!!

G- Gaga izay ho gaga fa loza ny toaka
Gilio maha-raikitra itony vahoaka
Gejainy 'reo zatra ka kenda mihoaka
Goleda famindra rehefa mivoaka.

H- Hajainy r'ingahy fa hoe manam-bola
Hadino tsy satry ny loha efa sola
Henjaniny kely ho toy ny zatovo
Hadiany ny lavaka,vita ny vovo.

I- Iniany roboina ho tokana an-tany
Indrindra rehefa mba manana ihany,
Ingainy ka mianjona toy ny mpanjaka
Izay vao azerany ka mivanaka!!

J- Jereo ireto izy toa olona andevo
Joketra fiaina sy lazolazoina
Jenjina mafy raha toa mifanjevo,
Jinjainy ho tola sy hibonabona!!

K- Korainy rehefa ho voa ny adala
Kakeriny anaty ka mihoa-bala
Ka inona moa fa manenji-balala
Ka kijeja sy adrisa no lasa mpinama,,

L- Lalalala tsisy fetra raha toa ny toaka
Lasa toy ny Mpanjaka rehefa vory vahoaka
Loloiny moramora dia mifaninjin-tanana
Lavo sy very ilay hoe FIHAVANANA.

M- Maro dia maro ireo tiako holazaina
Mety hanohina anao raha antsaina
Mifona aho anefa fa na dia izany
Mananatra iany aho fa adidiko izany!!

N- Ny toaka sakaiza dia rano maloto
Na ahoana,na ahoana fitoran'ny boto
Na miendrika fotsy,na mainty,na mena
Njila voretra,mandoto ny tena
O- Oadray izato ianao,sa izao ve no lahatra??
hOsihoseny'zay mba voninahitra,
Oriany hitsoroka izay kely tahiry
Ovainy fahantrana no solom-bahiny

P- Poizina ratsy manimba ny aty
mPamitaka loza,mampiditra am-paty
Poleta mafaitra tsy misolanga
mPamely moramora izay milangalanga!!

R- Ratsy ny toaka ry namako hajaina
'Reo voatanisako atao an-tsaina
Ravao f'aza avela hanorim-paka akory
Reseo ny revirevy,halaviro,ajanony!!!

S- Sitrany anie ny hamongotra anao e
Satriny mihitsy ny handavo anao
Satria ny toaka mantsy dia FAHAFATESANA
Saingy azo sakanana amin'ny faharetana

T- Tapitra ireo Abidy ka faranako
'Ty resa-toaka ity ka izao no ananarako
Tsarovy fa ny toaka dia poizina ratsy
Tandremo ry namako, HALAVIRO NY TASY ????

" Naina R."
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
21 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Naina R (Tsindrano Maneho)
Inséré par : Mikoriana
Date : 07/06/2026 23:40
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011