----ZO---- (Nali)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
---NY ZO---

Teny tsotra sady fohy fa litera roa monja
Nefa teny manankasina sy hevitra mafonja
Dia ny Zo ilay fananana iombonana eto an-tany
Nefa zary hifanavahana ho AMBONY sy AMBANY


Dia ny ZO ananao dia ny Zony sy ny ahy
Ilay Zo ananantsika toy ny ananana fanahy
Ny Zo ilay fanana iombonanaeto an-tany
Nefa zary hifanavahana ho ambony sy ambany

Koa moa ny olona eto an-tany samy olona ho lò
Moa va tsy iray sata moa tsy mitovy Zo?
Koa nahoana no mbola misy ihany sahy
Manosihosy ny madinika efa trotraka sy osa
Nefa OLONA MITOVY samy olombelona tontosa?

Nony efan'ANDRIAMANITRA ,hono,Izao Tontolo Izao
Dia niomana Izy hamboatra Olona mitovy Aminy
Mba hanao ny SITRAPONY sy hanerana ny Taniny
Isika olona eto an-tany samy olona ho lò
Moa va tsy iray sata ka mitovy ZO

Nali
15 Juin 2000

Reserved OMDA 2002
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy - Ahiahy - Ady
1932 1
Mpakafy: nalison1000
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143