Lasa sombin'aina (Nambinina Evariste)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nagina ny tontolo :Maizim-pito andro,
Ianareo nikolo,
Ianareo nahandro.
Ny laona sy ny angady,
Vary aman-danonana ;
Nanao ny sarin'ady,
Nandingana tokonana.
Ny hery sy ny rano,
Ny tantara sy angano :
Lova hampitondraina,
Natolotra ho venty,
Hiakatra an-tanety...
Ka lasa sombin'aina !
--------
Rohy:
