Ny Lina sy ny Herin’ny Fahanginana (Nambinina Evariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy taitra tsy maika tahaka ny tana aho,
fa raha mihetsika aho tsy hitan'ny maso,
ary raha mandeha aho tsy taka-basy.

Aza ny fahantsorako no jerena,
fa lina amin'ny marina lalina aho,
ary aza ny fahatoniako ny asian-teny,
fa pelika nohon'ny tselatra aho.

Ny ony tahaka ny liona,
azo fehezina azo baikona,
fa ny hery ihany koa dia toy izay.

Raha reraka aho tahaka ny tany,
tsy mihetsika nefa iankinana,
raha mitsangana aho tahaka ny rivotra,
tsy hita nefa mamelona,
raha mihetsika aho tahaka ny lanitra,
tazana nefa tsy takatra.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
17 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nambinina Evariste
Nampiditra : Nambing
Daty : 14/09/2026 08:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113