Tokim-pitia tsy ampy lanja [15-02-2021 19:23] (Nambinina Evariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao anie no Ravonikazotsifoy,
Tsy foy satria mahamanina.
Ity foko ity anie boribory,
Na ahodina havia na ahodina havanana,
Dia iray ihany no tazana.
Ianao no vary natao foto-tsakafo,
Ka raha hilaozan-davitra miantsoantso,
Raha tsy homen-kaja mapangovitra.
Izany re no tokim-pitia,
Ka diniho raha mahalina,
Fa atoray amin’ny tompony raha voam-boara.

Ianao anie ry lahy no tonga amin’ny hoe:
Nivatravatra tsy natsoina,
Ka sady roso no mierika.
Tonga amin’ny tany tsy hay,
Ka sady gaga no talanjona.
Izay tokinao re ry lahy,
Afatrá tsy mahafeno kapoaka,
Lanjaina tsy mahatsindry mizana.
Ka mamonamonaina toa vomanga malemy izy ity,
Atelina tsy mety midina,
Avoaka tsy mety miakatra.
Ka ny hany azo atao angamba ry lahy,
Aleo izy ity hakarina ho tsakotsakoina,
Ary aveo apidinina ho levondevonina.
Nefa na izany aza,
Tsy ho fotsifotsy fanahy toa katsaka aho,
Ka hanome anao ny mahereza ,
Na hiseho ho mahalala an’andriamanitra,
Ka hanome anao ny mahaiza mionina.
Asa-tany tsy taka basy izy ity,
Ka tsy efa indray andro.
Ka ny veloma madinidinika no azoko omena anao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
35 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nambinina Evariste
Nampiditra : Nambing
Daty : 28/04/2026 09:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.02