Hafatra (Natita)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any hafatra mba tiakoHo ren'ny sofinao
Dia ny teny hoe :
"Mivavaha,mahareta"
Any hafatra mba tiako
Ho fantatr'ialahy
Ilay soratra hoe :
"Miverena,miantra"
Any hafatra mba tiako
Hozaraina ho an-dry
Teny iray mafonja
"Matokisa ho doria"
Any hafatra mba tiako
Tantaraina ho anareo
Ka tsy asiko hambahamba
"Mikasa,manovà"
Any hafatra mba tiako
Hosoratana ka avoaka
Hofantarina isanandro
"Mavitrihà,masahia"
Any hafatra mba tiako
Ho faneva ho antsika
Tenenina matetika
"Mitambara,Mitsangana"
--------
Rohy: