MITANONDRIKA (Nisi-fid)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitanondrika ianao fa kivy. Satria renao ny mafaitra sy mangidy.
Mitanondrika mba hitaraina,
sa mitanondrika mba hila saina?
Dia aleo mitanondrika hivavaka.
Hanafaka ny tongotra lasak'an-davaka.
Mitanondrika hamisavisa ny hoavy.
Hametraka vina vaovao ary koa paik'ady.
Nisi-fid, 18 Jona 2016
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy