SENTO (Nofy Hery Njakatiana (NHN))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SENTOIo lay toerana fahiny
Niarahana nampiaraka
Indrisy mantsy ankehitriny
Zary tafasaraka
Io iany koa lay voninkazo
Zary taho maina tsy namoa
Toa kilakila sy nandazo
'lay vonkazon-tsika roa
Tsiaro tsy hay hadinoina
tadidy tsy afaka an-tsaina
toa tatara saro-bonoina
....zary mitaraina
Lay diavolana balika iny
Lay diavolana tomaratra
Eeh!Nanjombona izy ankehitriny
Zary tadio sy oram-baratra
Mbola hoavy ve ilay maraina?
Mbola mino aho ary mahatoky
Mbola hijoro tsy halaina
Hikasakasa ilay nofy nofy
Nofy Hery Njakatiana
09/01/21
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy Hery Njakatiana (NHN)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 26/10/2022 11:03