AIZA (Ny Alimbetso Soa na Endrika Nasalotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aiza ny rariny
Ho anay madinika
No fanomezantsiny
Teny tsy mipika
Teny manambany
Ny haja manontolo
Nampirotsaka tomany
Nameno ny tontolo

Aiza ny fitoviana
Nolazaina efa ela
Nosoloana fahoriana
Ny dindon'ny tavela
Tamin'ny fitadiavana
Nandaniana herintsaina
Nefa fandavana
No nasetry lay taraina

Aiza ny fisondrotana
Nampanantenaina
indrindra ny karama
Hamelomana ireo karakaina
Zay trotraky ny fahantrana
Mikaokaoka lava izao
Hatramin'ny fianarana
No nasaina nandao

NAS 03/03/04 à 20h 07'
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
802 0
Hevitra mandeha
batotoa ( 19/09/2012 07:39)
fa aiza ian le vary dimanjato
sy le menaka mora nanakoako e ?
ts hita akory fa to lasan ireo mpanatsatso
endryk ( 16/12/2012 14:01)
marina zany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Alimbetso Soa na Endrika Nasalotra
Nampiditra : Nyalimbetso
Daty : 17/06/2012 13:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141