Fahatsiarovana (Oelydina ( alias Voninkazo.fotsy ))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isaky ny mahatsiaro aho, dia manoratra hatrany,
Fa ny soratra ihany no hany hamafa ny tomany;
Soratra! Io ihany no hahafahako mamoaka..
..izany ato am-poko izany, sy ity foko feno loatra.

Eny, feno loatra anao, feno loatra ny fitiavako,
Ka tsy afaka hilaza, sady vahotra ny vavako ;
Tsy azo atao rahateo ny mamboraka izany
Satria ianao tsy ahy f'efa azy..ka aleo hangina ihany.

Kanefa indrisy! Toa tsy ho zaka, fa vao may manaintaina!
Mampahory ahy loatra, sady mila hanafaka aina,
O! ry foko kely tia, nefa tsy afaka manoatra,
K'aleo leferina, tazonina, ary tsy avela hitroatra.

Eny mantsy r'ilay tiako, efa izay angaha ny anjarako?
Fa ny hany fahendrena dia ny hanova ny fitiavako!
Ka hamotika, hamono ilay afo mahamay
Izay nandoro ny ati-foko hatramin'izay ela izay!

K'ankehitriny ry malala, mitso-drano anao aho,
Hahitanao hasambara amin'ny fiainanao,
Hivavaka ho anao hatrany aho ; mivavaha ho ahy koa,
Hahitako "fo vaovao" hisolo anao ato am-po..

Izay no iangaviako anao!

( 02 juin 2001)
--------
Rohy:
2709 1
Mpakafy: Domoinalove
Hevitra mandeha
Domoinalove ( 23/11/2008 15:17)
Misaotra mba manoratra tononkalo fahatsiarovana e!ôtrani oe tantarako mints le iz.Misaotr betsaka ho an'i mpamorona e!Andriamanitra hitahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oelydina ( alias Voninkazo.fotsy )
Nampiditra : voninkazo.fotsy
Daty : 08/08/2008 11:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136