ry malalako (Papoosy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry malalako,
Efa ela iany zay, no niaraha tsika roa,
nifandimby teny ny taona sy ny andro iany koa

Nefany hatramizao alo, de fitiavana tokoa
No mitoetra ato ampoko
Tsy ho faty, tsy ho soloiko

Fa ianao irery iany
No nahitako ny fitia
Ary ianao irery hatrany, no amaranako ny dia

Ny fitia antsika anefa to diso fiantefa
Tsy mampaninona ahy izany
Fa to vomaika mamy iany

Isan’andro anefa ao
To mahatsiaro anao
Sy mataotra iany ko
Ho adinonao ity fo

Na de betsaka aza eny
Ny fitiavana sy teny
Zay nambaranao tamiko
Fa ho doria ny antsika roa

Tsy mety afaka ato an-tsaiko
Fa any andro agamba ry aiko

Tsy ho ahitako intsony
Zany fitiavanao ambony
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1859 1
Mpakafy: papoosy
Hevitra mandeha
zavotany09 ( 07/01/2011 16:40)
Tsara ilay aingam-panahy fa tsy azoko ireo tsipelina. Fanahy hiniana ve sa .... na izany aza mankasitraka ny vita
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Papoosy
Nampiditra : papoosy
Daty : 05/01/2011 20:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141