13 Mey 1972 (R.-G.-R.)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Loza iray, loza roa !
Ny maso ve no mandrororoha :
Miparitaka ny ankizy,
Mihorakoraka izay tsy izy,
Natsipy anatin’ny vahoaka
Ny baomba iray, dia nipaoka :
Tao ny lasana nitsoaka,
Tao ny nisy kibo loaka,
Tao ny niantsoantso ery :
Ry FRS bibidia !

Tsy nahoany anefa izany
Indro fa natsipiny ihany
Ny baomba iray tanaty olona,
Nampilofika an-dry Lolona.
Adray ! Simba lahy ity zanak’olona !
Nifamonjena nobataina,
Moa va tsy miala aina.
Rotidrotika ny endriny,
Moa tsy efa voakendriny !

Fa mitefoka ny basy,
Ka namono Malagasy :
Niampatrampatra ny faty,
Oriory tao anaty !
Antsoantso tsy hay lazaina,
Kiakiaka sy taraina,
Ranomaso tsy hay jerena,
Alahelo tsy hay fefena.

Ankizy maro feno ratra
Hatrany an-tongotra sy tratra :
Misy tapaka ny feny,
Misy tsy afaka miteny,
Misy tapaka ny sandriny,
Misy voa tamin’ny handriny...

Ka nihidy iray ny vazana
ary dia nivonona
hanavo-tanindrazana.

R.-G.-R.

Nalaina tao amin’ny Boky mitondra ny lohateny hoe "Mey 1972" nosoratan’i Rahajarizafy Rémi,
natonta fanindroany
Librairie Mixte

" Eny ny olombelona no mifanolosolo fa ny Firenena kosa mijanona eo mandrakariva iriariavan’ny taranaka mifandimby..."
--------
Rohy:
301 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.-G.-R.
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 12/05/2025 16:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011